Fivorian’ny OMC sy ny praiminisitra ; Ho hentitra ny fepetra ho an’ireo mandika lalàna

Nivory, afakomaly alina, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana (OMC). Nitarika izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Chrisitian.

Nivoitra tamin’izany fa ho hentitra sy ho henjana ny fepetra ho an’ireo mandika ny lalana sy ny minia manakorontana eto amin’ny firenena. Haverina amin’ny laoniny ny filaminana, araka ny nambaran’izy ireo. Teo koa anefa ny antso avo nataon’ny praiminisitra, Ntsay Christian. « Aoka isika ho tony manoloana izao toe-draharaha izao. Mampahery antsika simba sy rava fananana ary maneho fiaraha-miory amin’ireo rehetra niharam-boina », hoy izy. Nohelohin’izy ireo tanteraka koa ny fandrobana sy ny fanimbana fananan’olona ary ny tsy fankasitrahana ny herisetra, ny fifamonoana…

Nohamafisin’ireto eo anivon’ny OMC ireto fa nihatra, nanomboka afakomaly ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina « Couvre-feu » ka noferana manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 5 ora maraina izany.
Ankoatra izany, niato avokoa ny fampianarana ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana eto Antananarivo Renivohitra sy ny eny Avaradrano ary Atsimondrano, miaraka amin’ny eo anivon’ny Cisco Ambo­hidratrimo sy ny ao Antsira­be I.
Tsiahivina fa efa nanambara mialoha tamin’ny alalan’ny fahitalavitra io fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina na « Couvre-feu » io ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, afakomaly alina. Nohamafisin’ny eo anivon’ny OMC nasionaly izany tamin’izao fivoriana niarahana tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian izao.
Araka izany, andrasana ny ho tohin’izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao.

Synèse R.

Partager sur: