Hatsikana: Hahemotra koa ny « Festival Jôkôsô »

Tsy mampiomehy ity indray mitoraka ity… « Namolavola ity tetikasa ity nandritra ny herintaona ngarangidiny aho. Efa nandefa izay rehetra teo am-pelatanako tamin’ny fikarakarana. Izao izy hahemotra na mety ho foana mihitsy aza… », hoy i Raytra Belaw’yck, tamin’ny rantiny, omaly. Izy no niketrika sy tompon’andraikitra voalohany amin’ny « Festival Jôkôsô », hetsika ho an’ny hatsikana izay tokony hiditra amin’ny andiany faha-5. Tokony ho omaly zoma ny fanokafana, saingy niaraha-nahalala ny nahazo ny Tana Water Front, toerana tokony nisian’izany. Teo ihany koa ny « couvre-feu », izay mandrara ny hetsika sy fivoriana rehetra, manomboka amin’ny 7 ora hariva.
« Ny datin’ny 26, 27 ary 28 septambra aloha no efa tena azo antoka fa hahemotra. Mbola miandry ny tohiny kosa isika amin’ny 3, 4 ary 5 oktobra », hoy hatrany i Raytra Bellaw’Yck. Amin’ireo daty ireo tokoa mantsy no nokasaina hanatontosana ireo seho, fizarana traikefa ary fihaonana eo amin’ny samy mpanao hatsikana, anatin’ity hetsika ity. Ny irariana dia ho raikitra ihany ny « Festival Jôkôsô », indrindra fa mba anisan’ireo hetsika mampiala voly, mitondra tsiky kely amin’izao vanim-potoana izao izy ity. Hany hetsika ho an’ny hatsikana manontolo rahatelo, ary efa nantenaina hiaka-daza amin’ity andiany fahadimy ity, kinanjo sendra ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona.

Zo ny Aina

Partager sur: