Na tafiditra tao anatin’ny fivelarana lehibe aza…, noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, miato aloha ny “Madajazzcar Festival”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika, miato avokoa. Nampanantena kosa ny hiverenan’ny fandaharam-potoana amin’ny laoniny izy ireo amin’ny fotoana maha mety izany. Marihina fa iray amin’ireo hetsika kolontsaina iraisam-pirenena mahasarika tanora malagasy maro ny “Madajazzcar Festival”. Antony iray nandrisika ny mpikarakara hanohy hatrany ny ezaka efa natao hatramin’izay.
Raha tsiahivina, ity andiany faha-36 ity no tena nahitana fivelarana lehibe. Tanàn-dehibe 4 no nanatanterahina ny « Tremplin Madajazzcar ». Vahiny mpanakanto maro no handray anjara. Mpitendry jazz, manana traikefa matanjaka, no nitondra ny fiofanana ho an’ireo tanora manan-talenta sy liana amin’ny fitendrena.
Fantatra fa anisan’ny tia jazz ny Malagasy, raha ny fanadihadian’ny mpitia mozika. Iray amin’ireo tanora manana mpitendry jazz indrindra ihany koa. Midika ho fananana hoavy mamiratra eo amin’ity zavakanto iray ity.
HaRy Razafindrakoto




