Ny isavorovoroana hilantoana 

 

Mikorontana ny tanàna, tsy azo lavina izany. Miha mitombo ny olona mamoy ny ainy. Mahita faisana ny mpandraharaha, na vaventy na madinika. Mitady hanao fanjakan’i baroa ny vahoaka sasantsasany. Faly handroba sy  hamotika ny hafa. Misy tena tsy misaina an-kitsirano fa faly mifampisintona midina tsotra izao.
Mampiteny ny moana ilay fitiavan-tenan’ny Malagasy sasany. Tena tsy mahay manafina ilay ory hava-manana. Baikoin’ny fialonana sy ny fankafizana ilay fiaraha-mivarina an-kady. Mahavariana fa misy mahazo aina amin’ny fanaovan-dratsy. Milamin-tsaina amin’ny ratsy vita. Tena mizahozaho sy mirehareha eny anivon’ny fiarahamonina nahavita naka tsy niera an’izatsy na izaroa.
Manoloana izany, tena mila manamafy ny fanapahan-kevitra noraisiny ny mpitandro filaminana. Tokony tsy hisy fihetseham-po mihatra fa mihenjana. Tsy vanim-potoan’ny fifampitsitsiana intsony izao. Mila mampihatra lalàna araka izay tratra. Tsy olana mihitsy ireny famaizana fara-tampony ireny. ” Omen-drariny ny fitifirana” , izay mafy loha. Aiza ka mitady hamantam-bonona sy mihinana ny herim-pon’ny hafa fotsiny.
Mahonena ny mahita ireo olona voaroba kanefa dia  misy ny miedinedina. Mampalahelo ny fampiasam-bola amina miliara levona anatin’ny indray mipi-maso. Misy aza ireo ho bokan-trosa mandra-pahafaty. Fongana hatrany ifotony ny fanantenana. Tsy misy intsony izay tsiron’ny fiainana. Hibaby fijaliana mandrakizay, raha tsy mahita samaritanina tsara fanahy angamba.
Eto dia sintonina ihany ny lakolosy, ho an’ireto mpanao politika, toa maika hizara seza. Mihazakaza ny mampirisika ny olona hifamono sy  hifandroba. Manahirana ny mandinika ilay fitiavan-tena. Feno fiatsarambelatsihy ilay fiainana. Ny mpamendrofendro ihany no mikatsaka tombontsoa.
Na izany aza, ny hisavorovoroan-kilantoana e!

r.r

Partager sur: