Miantso fifampidinihana maika ny eo anivon’ny sendikà Fisema, manoloana ny raharaham-pirenena. Hatao izany hamerenana haingana ny fiainam-bahoaka sy ho fisorohana ny lonilony eo amin’ny fiarahamonina. « Miantso ny olon-kendry sy ny manam-panahy sy hifanatona hamory ireo herivelona, hikarohana vahaolana », hoy izy ireo.
Nidera ireo tanora eo anivon’ny Gen Z nitarika ny hetsika ny Jly Ramakavelo Desiré. Nambarany fa efa hita ny fahavononan’ireo tanora handray andraikitra ka mijoro mitaky ny zony hisitraka jiro sy rano. « Mahavelo-panantenana izany. Mandiso fanantenana kosa anefa ny fahapotehana sy faharavana ka ho sarotra ny hanarina an’ireny », hoy izy.
Namoaka didi-pitondrana koa ny eo anivon’ny Prefektioran’i Mahajanga, manoloana ny toe-draharaha any an-toerana. Nilatsaka ny baiko amin’ny tsy fahazoana mivezivezy, manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 4 ora sasany maraina. « Manankery manomboka izao izany mandra-pilamin’ny toe-draharahara », hoy ny fanambarana.
Nanao fanambarana fametraham-pialana ny talen’ny TVM, Kevin Deris. Nambarany ho anton’izany tao amin’ny « Facebook » ny fandrahonana azy manoloana ny toe-draharaha mafana ankehitriny ka nandraisany fanapahan-kevitra izao. « Laharam-pahamehana amiko ny havako sy ny fianakaviako », hoy izy.




