Fikambanan’ny mpivaro-boky : Manameloka ny nahazo ny Lecture & Loisirs 

Iray tamin’ireo voaroba, ny harivan’ny alakamisy teo, ny fivarotam-boky Lecture & loisirs, etsy amin’ny Tanà Water Front Ambodivona. Naname­loka ny ankasomparana miendrika fandrobana izay natao tamin’ny namany ny fikambanan’ny mpivaro-boky eto Ma­da­gasikara (AEdiM). « Melohi­nay ny fandrombana nahakasika orinasa maro, izay ma­nampy trotraka ny fiainana andavanandro efa mahakivy ny tsirairay. Voatohintohina tanteraka ny fanovozam-pa­halalana, kanefa ny kolontsaina no fototry ny firenena, ary andry lehibe amin’izany ny mpivaro-boky », hoy ny fa­nambarana nataon’ny AEdiM, nosoniavin’ny filohany, Raza­fintsalama Marie Michèle.
Tsy ny Lecture & Loisirs ihany no lasibatry ny famotehana. Teo koa ny toeram-pampirantian’i Pierrot Men, izay teo akaiky teo. Vao avy nohavaozina ny volana avrily lasa teo ity toeram-pampirantiana ity. Saripika feno talenta maro no tsy hita popoka na ravan’ny afo tao. Tsy hita tombanana ara-bola ny fahavoazana, satria zavakanto sy kolontsaina no resaka. Ma­nampy trotraka ireo mantsy ny Cinépax teo anilany, izay toerana manara-penitra ho an’ny sarimihetsika. Hany toerana mba nahafahana nijery sarimihetsika anaty efitrano koa izy ity. Enga anie ka ho tapitra hatreo…

Zo ny Aina

Partager sur: