Mbola noho ny toe-draharaha ihany… Hatao foana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika North & Center, saingy hahemotra ilay seho goavana tokony hotontosaina ny 5 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Marihina fa manan-kery avokoa ny tapakila rehetra ho an’ireo izay efa nahazo”, hoy ny nambaran’i KD. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fampisehoana raha ny nambaran’ity mpitarika ny North & Center ity.
Manampy ny fotoana famerenana sy fiomanana izany ho an’ny tarika. Hirariana ny mbola hahafahan’ny mpanakanto izay nasain’ny tarika, toa an-dry Doublenn, 8 Mena Maso, Ray lasy, Krutambull, Kilowatt, Takodah sy Ngah-B, Samantah sy Kayah, Big Jim Da, Tst Bazz, Budah El Taga, Mr sayda, Meizah, Ray Lasy, Sphynx, sns. Tena fotoan-dehibe ity ho an’ireo milomano anatin’ny kolontsaina Hip-Hop, satria anisan’ireo tarika voalohandohany tamin’ny rap gasy nohiraina sy notendrena ny North & Center.
Zo ny Aina




