Ranaivoarison Eddy Rochel : Efa faniriana hatramin’ny mbola kely ny hanao sakafo

Maro ireo olona mi­sehatra amin’ny asa fivarotana sa­kafo amin’izao fo­toana. Ao anatin’ ireo tovolahy ma­nana traikefa amin’ izany Ranaivoson Eddy Rochel.

Anisan’ny olon-tsotra ma­melona ny vady aman-janany amin’ny resaka sakafo eto Madagasi­kara Ranaivoarison Eddy Rochel. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, efa hatramin’ny ela no naniriny hanao izao asa fandrahoana sakafo izao. «Efa faniriako mihitsy ity asa ity, hatramin’ izay, ary hitako tena nahaizako azy mora ny fitiavako azy sy ny traikefa maro azoko tamin’ireo sefo maro nampianatra ahy », hoy i Eddy, mpahandro sakafo.
Nomarihiny fa maro ny dingana sy ny sedra nolalovany vao tonga amin’izao toerana misy azy izao. Nampa­hatsiahivin’i Eddy fa nanomboka ny taona 2007 izy no nanao sakafo voalohany. Nanao « composé » tamin’ireny tranom-pivarotana sakafo ireny no nanombohany izany. Taorian’izay, nanao karazana sakafo ho an’ny mpianatra teto an-drenivohitra. Niditra niasa tamin’ireny hotely malaza amin’ny resaka nahandro ireny teto Antananarivo ny tenany, tao anatin’ny dimy taona. Marihina fa efa nanao fiofanana momba ny sakafo sy ny fomba fanolorana sakafo ny tenany, ary izao misehatra amin’ny fikarakarana sakafo izao, ankehitriny.
Raha ny filazany, ny zavatra tokony hatao hisorohana amin’ny resaka fahapoizinana ara-tsakafo dia mila ianao mihitsy no mahay ireo singan-tsakafo afaka miaraka sy ny tsy afaka miaraka. Eo ihany koa ny fahadiovan’ny fitaovana ampiasaina sy ny vatan-tenanao, ny toerana ampiasaina, mialoha ny hikarakarana sakafo. Izany hoe, tokony ho diovina tsara aloha ny toerana hanaovana ny asa.

Trondro tilapia

Araka ny fanazavana no­men’i Eddy Rochel, matetika, atao nahandro malagasy re­hefa fety, sady izy ireny no tena be mpitia. Saingy ny nahandro trondro tilapia no tena ankafizin’ny olona hatramin’izay nanaovany sakafo izay. Raha toa ka ireny henan-kisoa sy akoho na henan’omby ritra ireny no efa mahazatra.
«  Ny fikarakarana ny na­han­dro malagasy ireny, raha tiana hatsiro, sy tsy atao mahatofoka be, endasina ary asiana sira sy dipoavatra kely, avy eo asiana saosy votabia sy tongolo. Tsy mampiasa episy vahiny mihitsy izany », hoy i Eddy Rochel.

Fandrahoana henan-kisoa sy ravitoto

Nahandro iray mbola tsy afaka ao ambavan’ny Mala­gasy ny henan-kisoa sy ravitoto. Mbola maro kosa nefa ireo tsy mahafehy ny fandrahoana azy. Raha ny torohevitr’i Eddy, somary tsotsotra ihany ny fanaovana azy. «  Raha hahandro ravitoto sy henan-kisoa, mila endasina hampangalana ny lokony tsara ny henan-kisoa. Rehefa mahazo loko tsara iny izy, arotsaka amin’izay ilay ravitoto sy tongolo gasy na coco potehina dia efa mahatsara azy. »

Notsindriany fa raha tsy mazaka ny vavoninao, somary asio siramamy kely izany.
Ankoatra izay, ny tena tsara atao tsindry sakafo, hoy izy, dia ny voankazo ihany, sady fahasalamana izy ireny no mitondra hery ho an’ny vatan’ny tsirairay avy.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: