Anisan’ny nanao fanambarana koa ny eo anivon’ny birao foibe FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, Andriamampianina Zaka Harimasy. Niompana amin’ny toe-draharaham-pirenena izany hafatra izany.
Niantso ny rehetra hampiato ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tenany tamin’izany. « Mitaona antsika ho amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina araka ny tokony ho izy », hoy ny filohan’ny FJKM. Nanteriny fa mifanohitra amin’ny maha Malagasy ny fampiasan-kery tsy ara-drariny, ny fandatsahan-dra, ny fandrobana sy fandravana ny fananana iombonana. Koa mitaona antsika ho tony, hibebaka, hifampitaiza sy hifanitsy ao anatin’ny fanajana ny sitrapon’Andriamanitra sy fitandroana ny fihavanana, araka ny fanambarana hatrany. Notsindriny fa betsaka ny fahasahiranana aterak’izao tranga izao. « Mampahery antsika hifampitsinjo, halala-tanana amin’ireo izay tra-boina, tra-pahoriana », hoy ihany izy.
Nitaona ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny tenany hitodika amin’Andriamanitra sy hitrotro am-bavaka ny firenena. Entanina ny isan-tokantrano, isam-batan’olona, isam-pitandremana hanao rojom-bavaka mitohy ho an’ny firenena, araka ny nambarany.
Hipetrahan’ny fitoniana
Ankoatra izany, naneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana tao anatin’izao trangan-javatra izao koa ny birao foiben’ny FJKM ary mampahery indrindra ihany koa ireo rava fananana, very asa, mitondra ratram-po. « Andriamanitra anie hanasitrana azy ireny sy hampitraka ary hanonitra ny very », hoy izy. Manankarem-pahasoavana izy, ary tsy manary ny zohim-pahoriana, araka ny nambarany hatrany.
Nanamafy izany ny filohan’ny FJKM teo aloha, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fanambarany koa. Mba hipetraka eto amin’ny firenena fitoniana ary tokony hisy ny fifampiresahana hisian’ny fampandrosoana marina. « Tokony hijoro amin’ny marina anaty fahamendrehana ny rehetra », hoy izy.
Synèse R.




