Depiote irmar : Manamafy ny fanohanany ny Filoha

Manoloana ny toe-draharaha miseho eto Antananarivo sy tamin’ireo tanàn-dehibe maro, nanao fanambarana ny Solombavambahoakan’i Ma­da­ga­sikara ao anatin’ny vondrona Irmar, omaly, tetsy amin’ny Antenimieram­pire­nena Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa miombona alahelo sy ny miara ory amin’ireo fianakaviana very havana, ary mankahery ireo naratra sy very fananana. Manameloka ihany koa ny herisetra, fandrobana, fisamborana ary fanenjehana ni­seho izy ireo, anisan’izany
ny nanjo ny Solombavamba­hoaka roa tao amin’ny vondrona Irmar. Mampitandrina amin’ ny fanararaotana ny fitakiana nataon’ny tanora ho enti-mandroba sy manimba fananan’ olona. Nanao antso avo ny vondrona Irmar amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra, in­drindra ireo mpitandro filaminana sy mpitondra fanjakana, amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. “Henonay sy tsapanay ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka, indrindra ny tanora mitovy amin’ny zanakay”, hoy ny fa­nambarana. Nampirisika ny Solombavambahoaka ihany koa izy ireo hanaja ny Lalàm­panorenana sy ny fitsipika mifehy ny Anteni­mieram­pire­nena, ka tsy hihoatra amin’ny fihetsika tsy mifanaraka amin’ ny lalàna. Nohamafisin’ity von­drona ity fa zo fototra ny ma­neho hevitra, saingy tsy main­tsy atao ao anatin’ny sehatra ara-dalàna, ary tsy anisan’izany ny fidinana an-dalambe ho an’ny Solom­bavam­bahoaka. Nanamafy izy ireo fa manameloka tanteraka ny fihoaram-pefy sy ny fikatsahana tombontsoa manokana amin’ny politika. Farany, nanamafy ny fanohanany ny filohan’ny Re­poblika sady filohan’ny Sadc ny vondrona Irmar, ary naneho fanantenana amin’ny fepetra sy fanapahan-kevitra hentitra raisiny hanarenana ny fiainam-bahoaka sy hampanja­kana ny filaminana.

F.R

Partager sur: