Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handraisana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra.
Nahemotra ho amin’ny 8 ora alina ny tsy fahazoana mivezivezy « Couvre-feu », raha tamin’ny 7 ora hariva izany teo aloha. Afaka mivoaka kosa amin’ny
4 ora maraina, raha tamin’ny 5 ora izany teo aloha. Tapaka izany tamin’ny fivorian’ny eo anivon’ny OMC, omaly. Anton’izany ny efa fivoaran’ny toe-draharaha, amin’izao fotoana izao.
Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Zely Randriamanantany, ao anatin’ny 48 ora, ny sendika Triade, ivondronan’ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy ary mpandraharaha. « Nitotongana tao anatin’ny fitantanany ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara», hoy izy ireo.
Mivadika ho tolom-bahoaka manomboka izao ny hetsika, araka ny fanambaran’ireo mpianatra Gen Z, omaly. Tsy ekena koa ny herisetra tahaka ny fisamborana, fandratrana sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. « Miantso ny rehetra mahatsapa izao fampijaliana izao hanatevin-daharana anay », hoy izy ireo.




