Tsy kivarivary izy ity!

 

Mbola tsy hita be ihany aloha ny ho fiafaran’ilay hetsiky ny mpidina an-dalambe. Tsy mampino ny zava-mitranga eto an-drenivohitra. Raha mitorajofo ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra any amin’ny toerana misy fihetsiketsehana, toa milamina be tsy misy na inona inona amin’ny sakeli-tanàna hafa. Dia misosasosa ny fiainana andavanandro.
Eo indrindra no tokony hampisaina ny Malagasy tsivakivolo rehetra. Voalohany, ny mpidina an-dalambe. Ha­traiza ny hery sy tanjaka hoenti-miatrika ny fiovana na fanovana takina. Mainka, fa milaza ny handrodana ma­nontolo lehibe iray mihitsy. Tsy mijanona amin’ny fanesorana ny mpitondra fa hoe: “Hanova rafitra izao”! ampy ny angovo sy ny fientanam-po?
Faharoa, ho an’ireto milaza azy ho mpanao politika, mpanohitra fitondrana. Hatraiza ny fahadiovana sy ny hasin’ity fitakiana ataonareo ity? Sao sanatrian’ny vava ladian’ny lela, ho fitadiavan-tseza indray? Iaraha-mahita ny fivoaran’ny toe-draharaha. Efa misy ny be kajikajy, mitady hirika ny hifampizarana mofomamy amin’ny mpandoa-bary. Mijapy ny tolon’ny Gen Z.
Farany dia ny mpitondra fanjakana. Tsy maintsy mi­teny foana ve? Vantany vao mahita hirika ny sasany, tsy manan-tsaina afa-tsy ny hiteny hatrany. Zava-dehibe amin’ny fifehezana ny ady an-tserasera ifandroritana sy ifaninanan’ny andaniny sy ny ankilany anefa ny fahai­zana mifehy vava. Matetika ireny sokajin’olona ireny no namadika ilay fitiavan’ny vahoaka ny Filoha, ho fankahalana.
Raha fehezina ny zava-drehetra misy amin’izao fo­toana izao, tsy kilalao ny raharaham-pirenena. Tsy misy toerana ho an’ny kitsapatsapa sy fifandrefesan-kery toy ny amin’ny kivarivarin-jaza izao. Mila matotra ny sokajin-kery rehetra, tsy mena mivadika, tsy miovaova hevitra. Mila mifikitra amin’ny tanjony avy!

r.r

Partager sur: