Mahomby ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny famolavolana tanora ho matihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika. Malaza ivelan’ny Nosy ny sanganasa vitan’ireo mpianatra. Manamafy ny fiaraha-miasa natomboka ny taona 2017 no ho mankaty ny orinasa Ymagoo sy ny sekoly ambony Ecole de management et […]
Mois : septembre 2025
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mbola mandeha ny asa fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2. Asa entina hitaterana ireo milina miisa 7, izay milanja 60 hatramin’ny 70 taonina ny iray, hampandehanana ny toby vaovao eny Ambohimanambola, mamokatra 105 MW. Efa nisy ny fandaharam-potoana napetraky ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, saingy tsy […]
Foara FIA sy FIG: Fampirantiana lehibe nahasarika mpitsidika maro
Nifarana tamin’ny endrika miavaka ny « Foire internationale de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche (FIA) » andiany faha-7, izay natao niaraka tamin’ny « Festival international de la gastronomie (FIG) », tao amin’ny CCI Ivato. Naharitra efatr’andro ny hetsika ary nahasarika olona an’arivony maro izany. Araka ny tatitra nataon’ny mpikarakara, MadaVision, tena nahomby […]
Orange Madagascar : Manohana ny fidiran’ ny mpianatra
Ho fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpaninjara mpiara-dia aminy manerana ny Nosy, ny Orange Madagascar. Araka ny fanazavana azo tamin’izy ireo, omaly, natao ho fankasitrahana ny anjara toeran’ny mpaninjara amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny mpanjifa sy ho fanohanana ny ankohonana amin’izao fotoana manan-danja izao izany. Noho izany, nisy […]
Fahatapahan-jiro eto Antananarivo : “Ho sarotsarotra ity taona ity…”, hoy ny Jirama
Manamafy ny fahasarotana amin’ny fatapahan-jiro eto an-drenivohitra ny orinasa Jirama, omaly. Manaitra sahady ny rehetra izy ireo mba hivonona hiatrika izany, ary mampanantena fa hilamina ny toe-draharaha amin’ny taona ho avy. Namoaka fanambarana tao amin’ny pejiny ny orinasa Jirama, omaly. Nisongadina, tamin’izany, ny hoe: “Mivonona isika fa ho sarotsarotra ity […]




