Mois : septembre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny fanazarantena voalohany ho an’ny ekipan’ny Fosa Juniors FC. Tafiditra ao anatin’ity fanazarantena ity ny famerenana aina, ny fiomanana ny taom-pilalaovana manaraka ary ny fitsapana mpilalao vaovao. Nambaran’ny Fosa JR fa misy fandaminana vaovao ny eo anivon’ny Staff teknikan’izy ireo. Lalao anisan’ny nandrasan’ny maro, […]

Tsipy kanetibe: Hidona amin’ny Riviera ry Zigle, anio

Hotanterahina amin’ity talata ity ny famaranana lehibe, “Final four”, hiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo firenena efatra hiady ny ho lohany ny Mala­gasy amin’ity. Hiatrika ny manasa-dalana avy hatrany izy ireo ka raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny ekipan’i Riviera, i Madagasikara, ahitana an’i Yves sy i Balôty ary […]

Nandresy an’I Tchad 3 no ho 1 : Mbola tsara toerana hiatrika ny Mondial ny Barea

Tsara indray ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara, omaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipam-pirenen’i Tchad. Manana isa 16 ny ekipa nasionaly malagasy. Fandresena hatrany! Tao­rian’ny vokatra tsara azo tamin’i Centrafrique, nahita fahombiazana indray ny Ba­rean’i Madagasikara, omaly. No­­montsanin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 1, i […]

Nosy Ste Marie : Mampiavaka azy ny fahadiovana sy ny tantaran’ireo jiolahin-tsambo

Madio, miavaka amin’ ireo nosy rehetra eto Madagasikara i Sainte Marie. Manana ny foto-pivelomany sy mampalaza azy ity faritra iray ity. Maro ireo olona nanaovana fanadihadiana teny an-toerana, saingy nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny antony manokana. Nosy iray any amin’ny fa­ritra atsinanan’i Mada­gasikara i Sainte Marie. Toerana iray […]

Morondava : Notokanana ny ZDS Tsiribihina

Notokanana ny zoma lasa teo ny tobin’ny fari-piarovana sy filaminana na Zone de défense et de sécurité (ZDS) Tsiribihina ao Morondava. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblikan’i Mada­ga­sikara sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry niaraka tamin’ny Prai­minisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Del­phin, […]