Nifarana tamin’ny endrika miavaka ny « Foire internationale de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche (FIA) » andiany faha-7, izay natao niaraka tamin’ny « Festival international de la gastronomie (FIG) », tao amin’ny CCI Ivato. Naharitra efatr’andro ny hetsika ary nahasarika olona an’arivony maro izany.
Araka ny tatitra nataon’ny mpikarakara, MadaVision, tena nahomby ny hetsika tamin’ny resaka fisehoana sy varotra ho an’ireo mpandray anjara. Nilaza i Orlane Ranaivo, tale jeneraly lefitry ny Mada Vision, fa niovaova teo anelanelan’ny 8 000 – 10 000 ny isan’ny mpitsidika, raha toa ka 350 mpandray anjara, nisahana fampirantiana tamin’ny velaran-tany 22 000 m². Naneho fanohanana manokana ity hetsika ity ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, izay anisan’ny nanampy tamin’ny fahombiazan’ny hetsika. Ankoatra ny vokatra fambolena sy fiompiana, nisy ihany koa ireo vokatra nentim-paharazana, sakafo voahodina ary toerana ho an’ny mpitsidika.
Tombony lehibe tamin’ity taona ity ny fifangaroan’ny FIA sy ny FIG. Nahafahana nampiray ny famokarana manontolo: mpamokatra, mpanodina, mpandraharaha ary mpisitraka ity hetsika ity. Nahitana vahiny, avy any La Réunion sy Korea Atsimo, ny foara ary nizara ny traikefa sy ny kolontsainy ara-tsakafo izy ireo.
Fitia Randria




