Mois : septembre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Diso ny vaovao novoizina fa tapaka ny tambajotra sosialy, nanomboka omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Namoaka fanambarana mahakasika izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra (MDNPT), omaly. Manainga ny rehetra hanamarina hatrany ny fototry ny vaovao aparitaka amin’ny tambajotra sosialy ny minisitera. Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 […]

Vondrona Gem: Mitaky fiarovana ny orinasa ny mpandraharaha

Namoaka fanambarana ny Vondrona orinasa eto Mada­gasikara (Gem). Voalaza, fa manaraka akaiky ny toe-draharaha ity vondrona ity, manoloana ny fandrobana sy fitotongan’ny orinasa marobe, nitranga nanomboka ny 25 septambra teo iny, izay mbola mitohy hatramin’izao. Melo­hin’ny Gem marin-drano ireny fandrobana ny fananan’ny mpandraharaha ara-toekarena ireny, sady manaratsy endrika ny tontolon’ny […]

Ambatolahy – Ihorombe : Tantsaha miisa 10 niofana

Nifantoka tamin’ny fanabeazana sy fanohanana ny tantsaha amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ny hetsika notanterahin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) tao amin’ny kaominina Ambatolahy, distrikan’i Ihosy. Tantsaha miisa folo, avy ao Menalafika, no niofana, hetsika nokarakarain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB Ihorombe). Nampianarina azy […]

Orinasa Bôndy : Miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ny jiro manazava

Miitatra any amin’ny sehatra samihafa ny tetikasa «Ma Honko», ataon’ny orinasa Bôndy. Anisan’izany ny fizarana jiro manazava miisa 240 any amin’ny faritra iasany. Mitohy ny fametrahan’ny orinasa Bôndy ireo jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voakasik’izany ny faritra Melaky, Boeny, Sofia, Diana, izay tonga tany an-toerana, ny herinandro […]

Birao vaovaon’ny SIDPFM: Hihatsara ny tolotra amin’ny fananantany

Tafatsangana tamin’ity herinandro ity ny biraon’ny Sendikan’ny inspekteran’ny fananantany (SIDPFM), eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fa­najariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaobelina Vavitiana, fa anisan’ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo ny fametrahana amin’ny toerany izany sendikà izany. « Eo koa ny fijoroana ho amin’ny fiarovana sy ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpikambana […]