Mois : septembre 2025

Kick-Boxing : Nofoanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

« Noho ny toe-draharaha mafana misy eto amin’ny firenena, voatery nofoanana indray ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, nokasaina hatao anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ». Io no nambaran’ny Tale teknika nasionaly, i Anigael Gastros, omaly. Nilaza izy fa tena manahirana ihany ny zava-mitranga ankehitriny. Efa tonga eto […]

Fivorian’ny OMC sy ny praiminisitra ; Ho hentitra ny fepetra ho an’ireo mandika lalàna

Nivory, afakomaly alina, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana (OMC). Nitarika izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Chrisitian. Nivoitra tamin’izany fa ho hentitra sy ho henjana ny fepetra ho an’ireo mandika ny lalana sy ny minia manakorontana eto amin’ny firenena. Haverina amin’ny laoniny ny filaminana, araka ny nambaran’izy […]

INDRAY MIJERY

Nanao asa fanadiovana ny tanàna ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony taorian’ny savorovoro sy hetsika niseho ny alakamisy tontolo andro teto Anta­nanarivo. Nitarika ny asa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, nifarimbona tamin’ny mpiasa. Miisa sivy mirahavavy mianaka no nahazo fitsaboana sy fandidiana tao amin’ny CHRR […]

Herisetra: Ireo tovovavy miditra amin’ny tokantrano no iharany

Anisan’ny nitondra fanentanana ho an’ny zatovovavy nandritra ny hetsika sehatra ho an’ny zatovovavy tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, niarahana tamin’ny minisitera enina sy ny Unicef, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. “Nampahafantarina azy ireo ny karazana herisetra misy sy ny dingana azo atao raha mitranga izany ao an-tokantrano, na eny anivon’ny […]

Croix Rouge Malagasy : Vonjena avokoa ireo maratra eny an-kianja

Nirotsaka an-tsehatra teny an-kianja ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Croix Rouge Malagasy. Vonjena avokoa ny ain’ireo maratra na iza na iza. Nentina haingana teny amin’ny toby vonjy maika ary nahazo fitsaboana voalohany ireo naratra. Nisy amin’izy ireo koa no tsy maintsy naterina hopitaly. Naneho fahatoniana sy ny maha matihanina ary […]