Mois : septembre 2025

Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra

Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro. Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nime­nomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany. Tonga eto amintsika ny iraky ny […]

Entana eny an-tsena : Nilatsaka ho 450 Ariary ny vidin’ny atody

Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fo­toana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohija­tovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha. Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana […]

« FIA 2025 »: Fihaonamben’ny famokarana

Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny […]

Fahavitan-tena ara-bary: Mifameno ny vary safiotra sy ny maroanaka

Teknika fambolem-bary samy manan-danja ny voly vary maroanaka (SRI) sy ny fampiasana vary safiotra. Mifameno ireo, ary samy mihoatra ny 8t/ha ny vokatra azo. Noraisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fa­haleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny alarobia 3 septambra teo, ireo fikambanan’ny mpisehatra amin’ny voly vary maroanaka. Nifanto­ka tamin’ny fampiarahana ny […]