Mois : septembre 2025

INDRAY MIJERY

Mbola sakana amin’ny ady amin’ny famarinan’olombelona ny tahotra mitoroka. Maro ny antony tsy ahasahian’ny olona manao izany, indrindra ny mety ho fitsaram-bahoaka ataon’ny fiarahamonina. Eo koa ny tahotra ny hifotoran’izany sy ny fahafaham-baraka… Nampitandrina ny amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra avaratra sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy […]

Teleferika: Hofanina amin’ny vonjy voina ny ekipa

10 mirahalahy ireo omena fiofanana manokana hifehy ny fampandehanana ny fitaterana an-tariby na teleferika. Nomena torolalana momba ny vonjy voina ihany koa izy ireo ahafahany miatrika raha sanatria ka misy tranga ilana izany. Iray amin’ireo fenitra 17 fa­norenana ny teleferika ny fa­metrahana rafitra manokana hiarovana ny ain’ny mpandeha. Manaja izany […]

CHU Morafeno-Toamasina: Handray fandidiana mandritra ny hateloana

Hisy ny fihaonan’ireo mpitsabo mpandidy, manam-pahaizana ambony momba ny atidoha sy ny hazon-damosina, izay mivondrona amin’ny Société malgache de neurochirurgie, ao Toamasina. Nanao antso ho an’ireo manana aretinandoha na amin’ny hazondamosina monina amin’ny faritra Atsinanana sy ny manodidina, indrindra ny ao Toamasina, ny tomponandraikitry ny CHU Morafeno. Hisy, hoy izy, […]

Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Homena fanampin-tsakafo be otrikaina ny mpianatra

Miantoka ny fahombiazan’ny ankizy any an-dakilasy ny fahalavorarian’ny sakafony isan’andro. Nandray fepetra ny fanjakana fa hividy fanampin-tsakafo ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ianjadian’ny haintany. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hirosoana amin’ny fepetra manokana amin’ny hanjifana fanampin-tsakafo Kapik’naka. Ny ozinina Nutrisud, natsangana hamokatra ireo fanampin-tsakafo iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any […]

TARATRY ny KANTO

« Hafa », ampiarahana ny kolontsaina, ny fanabeazana ary ny tontolo iainana. Hetsika iray hotontosaina anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny La Terasse Antsahavola, izy ity. Hampiarahana mpanakanto efatra ny talentany, hamoahana ny hafatra izany. I Rolf, hitondra ny funk, Naday, hilalao Rock, Jhaleone, hanao rap ary i Vi hiantsa, […]