Hanomboka tsy ho ela ny “Madajazzcar Festival”. Mialoha izay, raikitra fa hisy ny « Tremplin Madajazzcar 2025 ». Tanàn-dehibe efatra eto Madagasikara no hanatanterahina azy io: Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toamasina. Hizara roa ny fandaharam-potoana, amin’ny ankapobeny. Fanofanana ireo mpitendry zavamaneno tia milalao jazz sy fifaninanana hotanterahin’izy ireo. Ho an’Antananarivo manokana, ny […]
Mois : septembre 2025
Tonga any Menabe ireo kabeso : Tafaverina ny hasin’ny Ampanjaka Toera
Fotoan-dehibe ho an’ny sakalavan’i Menabe sy ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Tonga soa aman-tsara any Belo Tsiribihina, ary natolotry ny filoha Rajoelina Andry ireo taranany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Tafaverina ny hasina, ary midika ho fandresena izany. Hirakitra ao anatin’ny tantaran’i Menabe ny datin’ny 5 septambra 2025. Omaly tokoa mantsy no […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy hanova zavatra lehibe ny tsy fahafenoan’ ireo mpifidy vaventy, araka ny nambaran’ny Ceni teny Alarobia, afakomaly. « Vitsy ireo kaominina tsy manana ben’ny Tanàna, anisan’ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona », hoy izy ireo. Efa mahazatra ary misy hatrany ny fahaverezan-jo amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’izy ireo. Voatendry ho […]
Fametrahana fanjakana tsara tantana : Kivy amin’ny kolikoly ny minisitry ny Fitsarana
Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry tany Belo Tsiribihina, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Napetraka tamin’izany koa ny filohan’ny fitsarana sy ny « Procureur de la République » any an-toerana. Notsiahivin’ny minisitra fa anisan’ny baiko tokana azony tamin’ny filoham-pirenena ny ady amin’ny kolikoly sy ny […]
Ady amin’ny fahantrana
Tsy misy tsy mikaikaika fa sarotra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao… Eo koa ny maitsoahitra atsy ho atsy. Mby amin’ny fijerin’ny mpandinika sasany hoe misy ary be loatra ny elanelana eo amin’ny manana sy ny mahantra. Tsy misy na tsy firy ny eo anelanelany. […]




