Mois : septembre 2025

Fikasihan-tanana vehivavy bevohoka : Naiditra vonjimaika am-ponja ilay ben’ny Tanàna

Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Feno­arivo Atsinanana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antsiatsiaka, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Ran­driamanana Jean Fidel, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanaovana teny anivon’ny fitsarana. Naharitra ora maro ny fihainoana ny niharam-boina sy ny vavolombelona ary ny fitanana an-tsoratra ilay voarohirohy sy ireo mpiara-dia aminy. Vesatra anenjehana azy ny […]

Taxi-be 015 nandika lalàna: Voasambotra ny mpamily

Taorian’ny fiparitahan’ny tranga mahakasika fandikan-dalàna nataon’ny taxi-be 015 iray tamin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisim-pirenena ka nikaroka ilay fiara. Vokany, voasambotra omaly tolakandro, tetsy Maroroho Tsimbazaza ny mpamily sy ny mpanampy mpamilin’io fiara io. Nentina sy notazomina ary miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade des accidents de la […]

Saika hatakalo tamin’ny banky : Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 10 000 dolara

Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria any Mahajanga ny lehilahy iray nahatrarana vola vahiny sandoka mitentina 44 tapitrisa Ariary. Avy aty Antananarivo ary nokasainy hatakalo tany amin’ny banky Mahanjanga ireo vola ireo. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’i Mahajanga, oma­ly, ny lehilahy iray nampiasa sy nitondra vola vahiny sandoka. […]