Mois : septembre 2025
Vokatra tsara tamin’ny “Chan 2024” : Nampihantain’ny Yas Madagascar ny Barea
Taorian’ireny vokatra tsara azon’ny Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” ireny, noraisin’ny orinasa Yas teny Andraharo izy ireo, omaly. Ho fankasitrahana ny ezaka vitan’izy ireo, nisy ny fanolorana tambin-karama “prime” sy finday ho an’ny mpilalao sy ny staff ekipam-pirenena malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa nisalotra ny medaly volafotsy ny Barean’i […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fiofanana ho an’ny Maître de salle ny ligin’ny Karate-do Anôsy, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana notarihin’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Shihan Georges Hafizou, sy ireo mpanazatra nasionaly. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana taorian’ny fiofanana. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 4 hatramin’ny 14 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A […]
Basikety-taona 2025 : Tsara ny vokatra ho an’ny Klioban’ny NBE
Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny […]
Atletisma – Mada 2025: Atleta mendrika i Flaurentine sy i Eric Justin
Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy. Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, […]




