Mois : septembre 2025

Iray volan’ny Alzheimer : Hisy ny fihaonana amin’ny fianakavian’ny marary

Volana maneran-tany ho an’ny aretina alzheimer ny septambra, manao antso ho an’ny isam-batan’olona, ny mpiasan’ ny fahasalamana, ny fiarahamonina ary ny fanjakana handray andraikitra ny fi­kamba­na­na Ma­dagascar Alzheimer Ma­so­andro mody. Mbola mipetraka ho sakana tsy ahafahana mi­tily ny aretina mialoha sy mi­ton­dra fitsaboana mahomby ny fa­nili­kilihana sy ny hevitra raiki-tam­pisaka […]

Aorian’ny fahafahana bakalorea: Etsy amin’ny LJJRA ny « Salon de l’étudiant »

Hotanterahina eo amin’ny Lycée JJ Rabearivalo Anala­kely ny « Salon de l’étudiant », karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny 4 hatramin’ny 6 septambra izao. Amin’io fotoana io no hahafantaran’ny mpitsidika ny karazana oniversite misy eto Madagasikara sy ireo karazana lalam-piofanana misy. Hanana tranoheva amin’izany ireo […]

“High School Scholarship »: Vatsim-pianarana omen’Ambatovy an’ireo mpianatry ny Lycée

Manome tohana mitohy eo amin’ny lafiny fampianarana, manomboka amin’ny ambaratonga faharoa hatrany amin’ny Oniversite, izay haharitra 10 taona Ambatovy, noho ny fisian’ny fandaharanasa vaovao. Manomboka amin’ny taona faha-6 amin’ny ambaratonga faharoa ka hatrany amin’ny taona fahatelo eny amin’ny Oniversite izany. Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ny fanabeazana ao anatin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao ny FIA, Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eny amin’ny CCI Ivato. Hiaraka tontosaina amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro, andiany voalohany. Izany hoe, hiaraka ho hita eny ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, hatrany […]

« Vitrine de Vakinankaratra »: Homena vahana ny tanora mpandraharaha

Hatao ny 11, 12 ary ny 13 septambra 2025 ho avy izao, eo amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe, ny foara «Vitrine de Vakinankaratra». Mikarakara ity andiany faha-27 ity ny Fiova Vakinankaratra, ary anisan’ny mpanohana mivantana ny orinasa Yas. Lohahevitra no­­raisina ny hoe «Ny fitomboan’ ny orinasa» na «La crois­­san­ce des entreprises». […]