Mois : septembre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipazy Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Herii Possible, nitondra ny fiara Subaru, ny andiany faha-22 amin’ny « Rallye Tour de Tana ». Fihao­nana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. 1 ora 38 mn 49, 3 s ny fe-potoana vitan’izy ireo. Faharoa i Aro Kiady sy i Elvis (Asacm), tara 2 […]

« Allez Hoop Quest 2025 »: Nahavita namondrona mpilalao 400

Nahomby ny hetsika. Ambohipihaonan’ny mpankafy taranja basikety 3×3 ny teny amin’ny Parvis Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nafana ny fifaninanana, nafana toraka izany ihany koa ny seho nandravaka sy ny fanentanana. Voalohany ny fikarakaran’ny RDJ ny « Allez Hoop” teny amoron’arabe sy manoloana ny Lapan’ny tanàna, izay efa fanaon’ireo firenena hafa. […]

Rugby, sokajy vehivavy: Lasa any Londres i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies

Nahazo fanasana manokana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (World Rugby) hanatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Angletera, ny Malagasy Rugby. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby sy i Fenitra, kapitenin’ny Makis Ladies. Nanainga ny alahady alina lasa teo, nihazo an’i Angleterre, ny delegasionina malagasin’ny […]

Fitaizana zaza kambotin’ny Tafika : Nitondra ny anjara birikiny ny Tafika an-tanety

Tonga teny amin’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika An­dohalo ny solontena avy eny amin’ny Etama­zaoron’ny Tafika an-tanety, notarihin’ny jeneraly Pikulas Démosthène, Mazaoro jeneralin’ny Tafika an-tanety, ny herinandro lasa teo. Nanolotra lelavola ho fandraisana anjara amin’ny fananganana ny tambohon’ny Ivon­toerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika any Antsahasoa Pagode zy ireo. Nandray izany ny amiraly Ga […]