Hotanterahina isam-bolana : Hanao velakevitra tsy tapaka ireo mpikaroka

Iray amin’ireo miteraka fivelarana eo amin’ny zavakanto ny fanehoana voka-pikarohana. Tari-dalana sy fototra hoenti-miainga izy ireny. Mety hitondra fahalalana lehibe ihany koa.

Tao anatin’ny 30 taona niorenany, namolavola mpikaroka maro momba ny zavakanto ny Zanabaliha sy ilay foibe fampianarana sy fikarohana « Valiha Acadé­mie » eo ambany fiahiany. Tapaka, nandritra ny fihaonana teo amin’ireo mpikaroka ireo, fa hanatanteraka velakevitra momba ny zavakanto, isam-bolana, izy ireo.
Hisantarana izany ny amin’ny sabotsy 4 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny sekoly Lycée privé Daniel Andravoa­hangy Ambony. Velakevitra hiompana amin’ny « Ireo soa azo avy amin’ny mozika ». Nambaran’ny tomponandraikitry ny fifandraisana eo anivon’ity foibe ity fa « hifototra amina sehatra samihafa ny velakevitra, satria, samy nanana ny lalam-pikarohana nofaritany ireo hifarimbona hanatanteraka izany ».

Fantatra fa hisy fotoana, hanasa mpikaroka hafa ivelan’ny Valiha Académie  izy ireo. « Tsy misy ny valaben’ny fahalalana. Noho izany, ome­na sehatra ihany koa ny hafa. Ny kanto sy ny kolontsaina rahateo manana maro i Madagasikara sy izao tontolo izao », hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
Marihina fa ankoatra ny zavamaneno, valiha sy ny tontolony, anisan’ny nimasoan’ireto mpikaroka ireto bebe kokoa ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Ao ireo nikaroka momba ny landy, hasina, fanorona, raokandro, vintana, tody, fiarahamonina malagasy fahiny, toerana manan-tantara, tsiny, dihy malagasy sy ny fifamatorany amin’ny fomba…

Tsiahivina fa anisan’ny tanjona napetraky ny Za­nabaliha tany amin’ny 30 taona lasa ny hanasongadina ny hampivelatra ilay hasina lehibe ananan’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Eo ihany koa ny hamerenana indray ny Malagasy mba hiaina miaraka amin’ireny kolontsainy sy ny zavakantony ireny fa tsy voatery mindrana sy mirehareha ary manindraindra hatrany ny an’ny hafa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: