Kolontsaina malagasy: Nanjary saro-tadiavina ny angano malagasy

Ny boky, tsy misy. Ireo mpitantara am-bava, tsy mahay intsony. Ny mahay, mamily lalana ny fototra… Nanjary saro-tadiavina ny an­gano malagasy. Tohan-kevitra ataon’ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga ambony sisa no ahafahana mamakafaka momba ny angano. Nan­jary tsy nahaliana ny zaza sy ny ankizy malagasy intsony ny fitantarana angano. Satria, tsy mihaino, tsy fantany intsony ny hevi-dehibe ao anatin’ity kolontsaina sady fanabeazana ity.

Taona 1975, nanomboka niha maivan-danja nanoloana ny tontolon’ny fanabeazana ny angano malagasy. Tafiditra tsikelikely rahateo ireo angano vahiny nanatevina ny efa teto. Raha angano nisy tao Eorôpa no nezahina nampidirina teto Madagasikara, talohan’io taona io. Nanomboka niditra sy nampidirina kosa ny an-dry zareo tatsinanana (Rosianina, Sinoa, Koreanina…) taorian’izany. Tao aza ireo mpanoratra nafana fo nandika azy ireny tamin’ny teny malagasy. Navoaka boky mihitsy ny ampahany sasany.
Fanarenana iray anisan’ny andrasana fatratra ny fanotana indray ireo boky mirakitra ny angano. Dingana tokony hatao kosa ny famoronana angano ho an’ny sehatra samihafa. Fampianarana, asa isan-karazany fanao andavanandro, sns. Na izany aza, tsy tokony hivaona amin’ny fototra maha fanabeazana maha olona azy ny angano malagasy. Mety tsy hanana mpitantara tahaka ny fahiny intsony (Nenibe, na Ikaky…). Fa ankoatra ny boky, azo alefa amin’ny tambajotran-tserasera samihafa ny fitantarana. Iny rahateo mety hahasarika ny ankizy sy ny tanora.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: