Fanajariana ny tany sy ny fananantany : Hovaliana ny filàn’ny mponina an-tanàn-dehibe

Nifampidinika tetsy Anosy, omaly, ny avy ao anivon’ny Sampandraharaha misahana ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharaha misahana ny fananantany eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) .
Voaresaka tamin’izany ny olana atrehin’ny tanàn-dehibe. Nambaran’ireo tomponandraikitra tamin’izao atrikasa izao fa anisan’ny tanjona ny hanitarana ny fanamarinana sy fanomezana ara-dalàna ny taratasin-tany. « Tsy ho voafetra intsony amin’ny tranga mifandray amin’ny tetikasa na fanesorana an-keriny ihany izany. Hatao ho fomba fanao hentitra sy maharitra izany ary ezahina hamaliana mivantana ny filàn’ny mponina eny an-tanàn-dehibe », hoy izy ireo.
Etsy andaniny, nifampidi­nihana tamin’izany koa ireo olana atrehin’ny tanàn-dehibe amin’ny resaka fananantany. Niaraha-nandroso ny vahao­lana azo vinavinaina. Niaiky kosa anefa ireo tomponandraikitra fa tena samihafa amin’ny zava-misy eny ambanivohitra ny eny an-tanàn-dehibe. « Mi­taky fe­petra ma­nokana sy fomba hafa ny raha­raha momba ny fananantany ho an’ny eny an-drenivohitra », hoy ihany izy ireo. Din­gana manaraka kosa, aorian’izao, ny fametrahana faritra andrana sy ho filamatra natao hiasana sy hanamari­nana ireo fomba vaovao mia­loha ny hampiharana azy amin’ ny sehatra mivelatra kokoa.
Tsiahivina fa efa nisy fivorina natao tamin’ny andiany voalohany mba hamantarana ireo olana samihafa sy handrafetana ny vahaolana mi­fandraika amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: