« Fifaninanana Cape Town Showdown » : Manana solontena ny Tekken Madagascar

Tsy mena-mitaha amin’ireo tanora maneran-tany ny tanora malagasy, amin’ny lalao Tekken. Porofon’izany, manana solontena telo be izao, mandritra ny « Cape Tozn Shotdown » ny ekipa SLY, ahitana an’i Nioh, Manounou ary i Haja. Efa any Afrika Atsimo izy ireo, miatrika ity fifanina­nana iraisam-pirenena, izay
« Tekken World » aty Afrika ity. « Na eo aza ny zava-misy eto amin’ny firenena, mila ny fanohanantsika ara-moraly izy ireo. Hiatrika ireo mpilalao mahay indrindra maneran-tany ireo solontenan’i Mada­ga­si­kara ireo », hoy ny nambaran’ny fikambanana Tekken Madagasiakara. Nanome se­hatra nifantohana, nizarana ary namiratana an’ireto tanora hifaninanana ireto ny fikambanana. Vokatry ny asa maro ni­sesy, izay narahina fanohanana avy amin’ny sehatra maro izany, mba hiandrandran’ny ekipa malagasy vokatra tsara.
Nanambara kosa i Kayanne, ilay mpilalao sy mpanentana matihanina amin’ny Tekken, fa manaraka akaiky ny toe-dra­haraha misy eto Madaga­si­kara izy. « Miresaka foana an’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ireo izay mifanerasera amiko aho. Tsapako ny zava-misy iainan’ny Malagasy satria nandritra ny fandalovako, niaina fahatapahan-jiro, tao anatin’ny fifaninanana mihitsy izany, ary voatery nahemotra ny ampitso fa tsy vita », hoy i Kayanne. Tokony hiverina aty Madaga­sikara mantsy izy, saingy voatery hahemotra amin’ny taona ho avy izany noho ny zava-misy. « Manohana hatrany ny tanora malagasy aho. Na dia eo aza ireo olana marobe sedrainy, tsara hatrany ny vokatra ho azy ireo », hoy hatrany ity olo-malaza maneran-tany amin’ny Tekken ity.

Zo ny Aina

Partager sur: