Eo amin’ny tantaram-pirenena, saika tsy mahafa-bela ny krizy politika: mitovitovy, miverimberina… Amin’izany, misy antony sy vokany ary azo vahana ny krizy politika; eny, azo sorohina aza. Izay tsara ho fantatra ankapobeny, andrana famakafakana…
Fikatsoan’ny fampandehanana ara-dalàna ny fanjakana ny krizy politika: fikorontanana anatiny, na vondrom-bahoaka… Mety hiafara amin’ny fahaverezan’ny maha ara-dalàna ny mpitondra izany. Na fifandiran’ny samy andrimpanjakana, na tsy fisian’ny fanapahan-kevitra na tsy fahazoana manapa-kevitra, na tsy fankatoavana faobe ataon’ny vahoaka ny fitondrana. Voka-dratsiny ny tsy fandriampahalemana, ny fihenjanana ara-tsosialy; eny, na ny firodanan’ny fifampitokisana ara-demokratika aza. Mitranga ny krizy politika rehefa misy tsy fifanarahana lalina, fahaverezan’ny maha ara-dalàna ny fitondrana, na fifandiran’ny andrimpanjakana manakana ny fampandehanana ny raharaha na fiarahamonina. Mety hiteraka tsy fahatokisana olom-boafidy izany, fandavana fanapahan-kevitra na fahapotehan’ny fifanakalozan-kevitry ny andrimpanjakana. Mety hitarika ho amin’ny fahalemena na fikorontanana ny krizy politika, fanetsiketsehana, fanerena amin’ny haino aman-jery…
Ny toetra na fisehon’ny
krizy politika
Tsy matoky ny mpanapa-kevitra intsony ny olom-pirenena: olom-boafidy io, na mpiara-miombon’antoka. Miditra amin’ ny fanoherana mivantana ny andrimpanjakana izy. Na governemanta io, na parlemanta, na manampahefana eny ifotony… Mifamoivoy ny hevitry ny fitondrana, nefa tsy misy vahaolana mipoitra na fanavaozana mivaingana. Matetika, ny haino aman-jery no toy ny fanafainganana ny raharaha na fandrisika noho ny fahasarotany. Mampitombo kosa ny toe-draharaha ny hetsika sosialy, ny fihetsiketsehana na ny hetsika ara-
dalàna. Tsy fantatra na tsy azo antoka ny faharetany, mety volana na taona maro.
Midika fiarovana ny rafitra misy ny fiatrehana na fisorohana ny krizy politika: fanjakana, vondrom-bahoaka… Amin’ny fahaverezana maharitra ny maha ara-dalàna ny fitondrana, eo ny fametraham-pialana na fikatsoan’ny rafitra na sampana mpanapa-kevitra, fihenjanana anatiny tsy voafehy: fizarazarana, fialana an-daharana, fifandirana mivantana… Ahazoana mamantatra izay malemy ny fisorohana krizy politika, manomana kabary sy fanapahan-kevitra mandresy lahatra, ary mitana na mizotra amin’ny lalana stratejika mazava.
Ireo toetra mampiavaka ny krizy politika
Ny fahaverezan’ny fahatokisana ampahany na manontolo ny mpitondra na andrimpanjakana, ohatra, ny krizy ara-dalàna. Eo koa ny fanoherana andrimpanjakana, izay fifandirana eo amin’ny samy andrimpanjakana: mpanatanteraka, mpanao lalàna, vondrom-bahoaka… Mitarika fikatsoana politika izany. Fisehony koa ny sakana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, tsy azo atao na ampiharina amin’ny fomba mahomby intsony. Endrika isehony koa ny tsy fandriampahalemana maharitra: krizy mandritra ny fotoana ela, miteraka tsy fahatokisana, fifandirana anatiny ary tsy fahatokisana stratejika. Endriny koa ny fitokonana, ny hetsika, ny fanangonan-
tsonia, na ny tsy fankatoavana sivily dia manamafy ny tsindry ara-politika. Fialana amin’ny krizy politika ny famahana olana amin’ny alalan’ny marimaritra iraisana, fanovana ekipa, fanavaozam-pitantanana, na fifidianana. Mila famerenana ny fahatokisana izany.

Ireo antony mety hiteraka krizy politika?
Matetika ateraky ny fahapotehan’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny tantanina ny krizy politika. Na noho ny fikatsoan’ny andrimpanjakana. Eo koa, ohatra, ny fanapahan-kevitra tsy tian’ny vahoaka na heverina ho tsy rariny: fanavaozana, fanafoanana ny zo, fepetra misetrasetra… Na ny fahafintohinana mahavoarohirohy ny mpitondra ara-politika: kolikoly, fitiavan-tena, fanararaotam-pahefana… Toy izany ny krizy ara-tsosialy na ara-toekarena tsy voafehy: fitokonana faobe, tsy fananan’asa, fidangan’ny vidim-piainana… Tsy latsak’izany ny fihenjanana eo amin’ny andrimpanjakana: fifandirana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, eo amin’ny fanjakana sy ny manampahefana eny ifotony, ohatra,… Na ny fahaverezan’ny fanaraha-maso amin’ny krizy iray: krizy fiarovana, krizy ara-pahasalamana, loza voajanahary… Ireo singa rehetra ireo, mety mitambatra miteraka fikorontanana mahery vaika, voamariky ny tsy fahatokisana, ny fihetsiketsehana ary ny fihenan’ ny fahefana eo an-toerana.
Misy izay azo heverina na fanapahan-kevitra azo raisina
Fanetsehana vondrona mandinika ny krizy voafetra mazava: manangona vondrona kely toy ny tale jeneraly, talen’ ny serasera, olom-boafidy azo itokisana… Hamakafaka ny zava-misy am-pahatoniana izy ireo sy hahazoana antoka ny fandraisana fanapahan-kevitra ary hisorohana ny fialana an-daharana anatiny. Tombanana ny maha ara-dalàna ny fitarainana: faritana ny antony mahatonga ny krizy toy ny fihetseham-po, fanoherana ideolojika, zava-misy manokana, fahadisoana ara-politika na fitantanana. Tanana ny fifehezana ny hafainganan’ny haino aman-jery: tsy maika amin’ny famoahana vaovao na fanambarana. Manomana hafatra marim-pototra, tsy misy fiarovan-tena na fandavana. Avahana ny fifandraisana vonjy taitra sy ny paikady fanarenana.
Ankoatra izany, tandrovy ny andraikitry ny andrimpanjakana. Raha ilaina, manana hafatra manokana alefa amin’ny alalan’ny fampitana ataon’ny tale jeneraly, mpitondra teny, mpisolovava, sendika… Mihaona mivantana amin’ireo mpandray anjara fototra: solontena, sendika, olom-boafidy avy amin’ny mpanohitra… Ahazoana mampitony mihoatra no ho ny famoahana fanambarana izany. Iomanana ny fivoahana amin’ny krizy: dinihina ny toe-javatra marolafy famahana olana: fiaikena heloka na fahadisoana, fanelanelanana, fakan-kevitra na fifampidinihana, fanavaozana anatiny… Manangana lalana hita maso hiverenana any amin’ ny fahamarinan-toerana.
R. Nd.




