Herisetra amin’ny mpanao gazety: Mangataka fiaraha-midinika ny Emmo/Nat

Tafapetraka tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny fitorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety, afakomaly, teny an-kianja. Mangataka fiaraha-midinika ny Emmo/Nat.

Nambaran’ny filohan’ny OJM, Monica Rasoloa­rison, fa tsy azo ekena ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety eny an-kianja. « Tsi­pahinay eto anivon’ny holafitra sy ireo fikambanana mpanao gazety rehetra izany fampiasan-kery aminay izany. Voa­raran’ny lalàna ny herisetra amin’ny mpanao gazety », hoy izy. Notsiahiviny fa manana zo harovana eo am-panatanterahana ny asany ny mpanao gazety. Manoloana izany, nametraka fitoriana ho an’ireo nahavanon-doza ny eo anivon’ ny OJM.
Notakin’izy ireo koa ny hanokafana fanadihadiana ho an’ireo mpitandro filaminana « GSis » nanatanteraka izany herisetra izany tamin’ny alalan’ ny fikasihan-tanana, fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso, fakana an-keriny fitaovana…

Fialan-tsiny ampahibemaso

Etsy andaniny, niantso ary nitaky fialan-tsiny ampahibe­maso avy amin’ireo mpitandro filaminana ny eo anivon’ny biraon’ ny OJM. Voatsiahy tamin’izany fa miisa dimy hatramin’izao ireo herisetra nampiharin’ny mpitandro filaminana tamin’ny mpanao gazety, hatramin’ny nanombohan’ny hetsika ny 25 septambra lasa teo.
Manameloka tanteraka izany herisetra izany ny eo anivon’ ny Holafitry ny mpanao gazety.
Notsiahivin’ny fanambaran’ny OJM fa efa nisy fifanarahana nifanaovana sonia teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny OJM ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsina (MCC), natao ny taona 2018. Natao hiarovana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany izany. « Tsy voahaja anefa izany amin’izao fotoana izao », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: