Saika fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, indrindra rehefa misy ny fanahiana izany na efa mby amin’izany ny toe-draharaha misy sy iainana. Toy izao… Fomba fiteny ihany izany, fa tena misy ny mikendry sy mahita ary mahazo tombontsoa manokana amin’ny korontana. Very tombontsoa amin’ny fisiana sy fiainana lamina, ohatra, ny sasany dia manakorontana? Loza iray, loza roa… Mety ho endrika fanakorontanana avokoa izay rehetra fanohintohinana na fanelingelenana ny lamina? Na efa fanekena na fikatsahana lamina ny tsy fanakorontanana mivantana na ankolaka… Izany rehetra izany, arakaraka ny toerana misy ny tsirairay. Hatramin’izay arovany na kendreny amin’izany…
Na izany aza, tsy misy toy ny filaminana sy fitoniana. Mby amin’ny hoe ny fo rano mafana? Sarotra ary manahirana mandrakariva ny mitsara zavatra eo am-pihetsiketsehana… Na izay mijery no mihetsiketsika amin’izany, na izay jerena. Mety mandiso fanapahan-kevitra izany, na mamitaka, mampanaotao foana… Mahay mijanona ho tony ny olon-kendry, araka ny fijeri’ny mpandinika iray izay. Tsy hanimban-tena izany, tsy hanimban-javatra. Mby amin’ny hoe: na mikorontana aza ny tsena, ny mpivaro-bilany tsy mihetsika mahery. Mora ny manakorontana no ho ny mandamina, mora ny mandrava no ho ny manorina… Tsara atao amim-pahamalinana sy amim-pahamendrehana mandrakariva izay lazaina sy atao ary aleha.
Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, misy ny mikorontana tombontsoa? Fa misy koa ny mikorontana na manakorontana ho tombontsoa manokana. Na fitiavan-tena, fitiavan-kely… Tsy mijery lavitra? Na izay no anisan’ny nahatonga ny hoe sasatry ny miarina hatramin’izay… Tsy aleo ny hevitra sy tetika no ampiadiana… hilaminana?
R. Nd.




