Efa seha-pamokarana lehibe sy mahaleo tena amin’ny lafiny maro ny zavakanto sy ny kolontsaina any amin’ireo tany tandrefana. Nihazakazaka loatra aza raha oharina amin’ny an’ny hafa.
Telozoro lehibe nandrakotra ny kaontinanta dimy ny fifandrohizan’ny fampivelarana ny zavakanto sy ny kolontsaina maneran-tany. Notrandrahina taty Afrika, tany Amerika Latinina. “Namboamboarina” tany Eorôpa sy tany Etazonia. Nampakana endrika toa vaovao. Naverina tany amin’ireo firenena niandohany indray avy eo.
Io “namboamboarina” io no niteraka fikarohana nanalavitra ny fototra niaingana, hany ka nanjary leo vetivety ireo mpanjifa tany Eorôpa sy ny tany Amerika. Lasa nibahan-toerana ny “artifisialy”. Niharihary ilay tsy maha voajanahary intsony ny feo, ny hosodoko, ny sokitra, ny loko ampiasaina, ny fihetsika… Nanjary samy hafa ny hitan’ny mason’ny mpijery fampisehoana rindrankira an-tsehatra sy ny henon’ny sofiny. Mpitendry zavamaneno, tsy hita eny an-tsehatra, kanefa, misy feon-gitara sy amponga, henon’ny sofiny? Na, ny mpitendry zavamaneno iray ihany fa ny feo ren’ny sofina marobe.
Io karazana fitaka sy fialana amin’ny voajanahary io no nahatonga ny indostrian’ny zavakanto sy ny kolontsaina hitodika any Azia. Ny firenena tahaka an-dry zareo Sinoa, Japoney, ny Rosianina, sns, mantsy, sady tia fivelarana kanefa mahay mitazona ny azy. Nametraka toe-tsaina tia ny fototra io fitazonana ny maha izy azy io.
Nanjary marobe ireo tsenam-barotra momba ny zavakanto sy kolontsaina ao Azia. Izay mahatazona ny fototra (Afrika, Amerika Latinina…) ka mitondra sy maneho izany any an-toerana (Azia), mahalafo avokoa. Ifandrombahana aza amina vanim-potoana sasany (fialantsasatra lehibe…).
Ny fampiasana ny sodina bararata, ny korintsana vita amin’ny voatavo monta, ohatra, no mahasarika ny Aziatika raha oharina amin’ny sodina sy korintsana vita amina akora tsy voajanahary.
HaRy Razafindrakoto




