Nampita hafatra fohy manoloana ny toe-draharaha eto amintsika ny Papa Léon XIV, omaly, tao Vatikan. Naneho ny alahelony izy tamin’izany. « Mahery vaika ny herisetra eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny tanora mpanao fihesiketsehana. Maro ireo maty ary an-jatony ireo naratra », hoy izy. Niantso ny hivavahan’ny rehetra ny tenany manoloana izao tranga eto amintsika izao, indrindra ny hitsaharan’izany fifandonana izany. Nentaniny koa ny vahoaka malagasy handray anjara hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ary hikatsaka ny soa iombonana. Midika izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara ny eo anivon’ny fiketrahana Masina any Vatikan.
Synèse R.




