TARATRY ny KANTO

Nanakanto, manakanto ary mbola hanakanto… Maneran-tany, samy miandrandra ny ho any amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ny tsirairay, amin’izao vanim-potoana izao. Tokony ho tahaka izany ihany koa ny zavakanto sy ny tontolo misy azy. Mikatsaka ny kanto sy manatsara ary mampivelatra izany andro aman’alina. Tsy ho tonga ho azy anefa izany fa mila fifandrohizan’ezaka eo amin’ny sehatry ny zavakanto iray manontolo. Mifanampy, mifanohana, miray hina. Izay ahitam-pandrosoana sy fahombiazana no atao.
Manana tontolo miavaka ny asa tanana. Sady tafiditra ao anatin’ny toekarena izy io no mandray anjara goavana ao amin’ny zavakanto sy kolontsaina. Na tsy mbola hita mazava aza ny fifamatorana na ny fifampiankinan’ireo aty amin’ny tany na firenena osa. Tsikaritra kosa fa tokony ho lasa lavitra sy azo ianteherana amin’ny fampidiram-bola vahiny ny asa tanana. Tsy ho tonga, anefa, izany raha mbola “Faralahin-jaza” ihany no andraisan’ny Malagasy ny atao hoe asa tanana sy ireo mamelon-tena aminy. Mety hijanona ho famalifaliana mpizahatany fotsiny ihany.
Rehefa mihira dia mihira. Rehefa mandihy dia mandihy. Rehefa manao sary dia manao sary. Rehefa manoratra dia manoratra… Tsy miherikerika amin-javatra hafa. Mbola sarotra ho an’ny mpanakanto (mpihira, mpanao sary, mpanoratra, mpahandro sakafo…) ny mitazona ireo anjara andraikiny ireo. Mety tsy ho fanahiniana fa noho ny zava-misy iainan’ilay zavakanto mihitsy no marefo. Noho izany, tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy ny asa ao anatin’ny zavakanto. Ao ny mibaby maro fa misy koa ireo mitazam-potsiny.

Partager sur: