Famahana ny disadisa politika : Ranolava ny antso ho amin’ny fifampiresahana

Mitobaka ny fanambarana avy amin’ny sokajin’olona samihafa, ho fikatsaham-bahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara. Miantso fifampiresahana ialohavana fampitsarahana herisetra ny rehetra.

Mivoaboaka tsikelikely ireo fikambanana na vondrona mitaky ny fampitsaharana ny herisetra. Torak’izany ny vovonana sa­mihafa, mangataka ny fifampiresahana malaky amin’ny mpiantsehatra tafiditra amin’ilay disadisa misy ankehitriny. Nanao fanambarana fanindroany, omaly, ny fianakaviamben’ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika. Mbola nanamafy izay fikaroham-bahaolana anatin’ny fifanakalozan-kevitra sy eken’ny besinimaro izay izy ireo. Ny mpitondra fivavahana ireny efa nanao ranolava.
Ankoatra ireo, nisy ihany koa ny fanambarana niraisan’ny firaisamonim-pirenena. No­takin’izy ireo ny hamadihana ho asa mivaingana ny fa­nambaran’ny Filoham-pirenena. Tokony ho porofoina fa tsy kobaka am-bava na fampanantenana poakaty intsony izany, araka ny tatitra. “Atsaha­tra avy hatrany ny fampiasana hery famoretana, fanenjehana mandritra ny tolona am-pilaminana ataon’ny tanora sy ny olom-pirenena. Tsy ekena ny fampiasana hery tsy mitovy ataon’ireo zandary, hanampenam-bava ny fitakiana ara-drariny”, hoy izy ireo.
Manery ny fitondram-panjakana hanome malalaka ny fahafahana manao fihetsiketsehana an-kalamanjana izy ireo. Mampahatsiahy koa fa tokony hiaro ny olom-pirenena, ny mpanao gazety ary ny fananam-bahoaka sy olon-tsotra ny mpitandro filaminana. Nota­kin’izy ireo ny hamoahana tsy misy hatakandro ny voasambotra na voahidy noho ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika am-pilaminana.

Manome vahaolana
Mitsipaka ny sarintsarim-bahaolana na amin’ny ampahampahany atolotry ny mpitondra, ireto fikambanana na vondrona an-jatony namoaka fanambaranana, omaly, ire­to. “Takinay ny fiovana feno sy maharitra ho an’ny firenena, manoloana ny tsy rariny mitarazoka, ny kolikoly mihanaka, ny fanararaotam-pahefana sy ny tsy maty manota”, hoy izy ireo.
Mbola nanentana ny hery velona rehetra ho sahy hijoro sy hanatevin-daharana ny tolona ilay fanambarana. Nidera ma­­nokana ny herim-po, ny herin-tsaina, ny fahendrena sy ny firaisankinan’ny tanora mitaky fiovana am-pilaminana izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: