« Ny fanahy no olona ». Ny olona, anefa, mila beazina. Ny mpanabe, maro. Ny akaiky indrindra amin’ireny, ny teny. Raha ho an’ny teny malagasy manokana, tsy hita taratra loatra ny fandraisan’anjarany amin’ny fanabeazana ho olom-banona ireo taranaka Malagasy. Na, ilay teny, manimba, na vao mainka mampidi-kizo ny Malagasy ny fampiasana azy, satria, tsy hay…
… Noho izany, mila fanarenana goavana ny fampianarana ny teny malagasy. Malagasy tsy mahay miteny malagasy. Tsy mahay manonona teny malagasy. Tsy mahay mampiasa ny teny malagasy. Tsy mahafantatra izay tenenina sy tian’ny Malagasy tahaka azy ampitaina, sns. Mila ovaina tanteraka ny fanabeazana sy ny fampianarana eo amin’ny tontolon’ny teny malagasy.
Ireo sekoly mampianatra amin’ny teny vahiny mametraka fa : « tsy maintsy miteny frantsay na anglisy rehefa miditra ny vavahadin-tsekoly ». Ka nahoana ny sekoly manabe ny zaza malagasy no tsy sahy mametraka lalàna: « Tsy maintsy miteny malagasy madiorano raha vantany vao tafiditra ny vavahadin-tsekoly » ? Satria, menatra? Satria, matahotra ny ho voatondro molotra? Satria, mihevi-teny ho ambany na manana lenta ambany raha mampiasa ny teny malagasy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana?
Maninona no tsy afa-manapa-kevitra ireo izay manana fahefana hanao izany ka hilaza fa: « ny teny malagasy no teny hoenti-manabe sy mampianatra any an-tsekoly »? Satria, mandany volabe amin’ny tsy taranany akory ny vahiny ka tsy maintsy tanterahina ny sitrapon’izy ireo? Ny taranaka Sinoa, Frantsay, Anglisy… ampianarina sy beazina amin’ny tenin-drazany. Nahoana, maninona ny taranaka Malagasy no beazina sy ampianarina amin’ny teny vahiny? Izany akory tsy midika fa atao tsinontsinona na sanatria hamaivanina ny fianarana ny teny vahiny.
Haverina
ny famakian-teny…
Tranga mahamenatra, saingy, mety tsy ho tsapan’ny Malagasy sasany ny misy ankehitriny. Malagasy tsy mahay mamaky teny malagasy, kanefa, ambara fa nandia ny varavaran-tsekoly na ireo lazaina fa avara-pianarana mihitsy aza. Ny teny, anefa, no lazaina fa iray amin’ireo singa lehibe mamolavola ny fomba fisainana sy ny hoavin’ny taranaka iray manontolo. Na, mety mahay mamaky teny ihany fa tsy fantany akory izay ambaran’ny vavany, satria, efa azo sandaina vola ankehitriny ny teny aloaky ny vava amin’ny alalan’ny famakian-teny.
Mila omena vahana any an-tsekoly indray ny tontolon’ny boky voasoratra amin’ny teny malagasy. Talohan’ny taona 1980, nahavatra nanome boky maro ho an’ny sekoly ambaratonga fototra teto Madagasikara ry zareo Frantsay. Boky amin’ny fiteny frantsay mba hoentin’ny zaza malagasy mianatra ny teny frantsay (?)… Ny Malagasy, tsy afaka ny manonta boky amin’ny fiteny malagasy sy mizara izany any amin’ireo sekoly ibeazana sy ampianarana ny taranaka Malagasy?

Hampitomboina ny masontsivana…
« Izahay tsy mandray mpampianatra raha tsy mahafolaka tsara ny teny … ». Tsy tafiditra ao anatin’io masontsivana io ny teny malagasy. Izany hoe, na tsy mahafehy ny teny malagasy aza ilay mpampianatra, raisina hanabe ny taranaka Malagasy ihany, satria, mahay teny vahiny? Afaka hamolavola sy hamboly toe-tsaina vahiny? « Sivanina » ihany koa ireo tokony ho hain’ny taranaka malagasy ao anatin’ny taranja malagasy sy ny taranja hafa. Omena vahana ny fianarana ny fitsipi-pitenenana. Ny famohazana ireo teny na voambolana fahiny izay tsy faheno firy intsony ankehitriny. Homena lanja ny fiofanan’ireo mpampianatra ny taranja malagasy mba hanan-kasina (voafehiny, hainy ny manazava azy, misy azon’ny mpianatra hiaingana hanaovana fikarohana sy fandalinana) eo anatrehan’ny mpianatra ny fampianarana omeny.
Dedaka alohan’ny tompony
Tezaina tsikelikely ny ray aman-dreny tsy ho dedaka alohan’ny tompony. Matetika, izy ireo mihitsy no miresaka na miteny vahiny amin’ireo taranany. Hatramin’izao, mbola tsy fantatry ny ray aman-dreny ihany fa manome poizina lehibe ho an’ny fireneny sy ny taranany ny fanaovana izany. Ankehitriny, noho ny fitaizana mifaka amin’ny an’ny vahiny. Na hitam-poko, hitam-pirenena izao aza fa manan-karem-be i Madagasikara. Tratry ny « masobe tsy mahita » ny taranany. Lasa mitambezo asa any amin-dry zareo vahiny, satria, efa mahay ny tenin’izy ireo? Efa mihevitra fa mahay ny fomban’izy ireo ihany koa angamba?
Ry zareo vahiny indray no mahatazana ireo harem-be (teny, tany sy ny « vokatra » ao aminy, fomba amam-panao…) ireo.
… Raha ny nambaran’ireo manam-pahaizana momba ny fiarahamonina sy ny fivoarany. « Anisan’ny hamantarana na tena izy na sandoka ny fahaleovantenan’ny firenena dia ny fampiasan’ny tompony ireo momba azy manontolo. Iray amin’ireny ny teny, ny tany, ny kolontsaina… Raha mbola tsy miaina amin’ireny ny tompon-tany, mbola voazanaka izy izay, noho izany, mila fohazina ny eritreriny ».
Fampianarana sy fanabeazana. Mamolavola ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena iray manontolo. Saingy, tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy ny hanatsara sy hanitsy azy ireo?
HaRy Razafindrakoto




