Nivoaka tamin’ny fahanginany ny depiote Ratsiraka Sophie. Nambarany fa fotoana tokony hikaonandoha anaty fotoana fohy sy andinihin’ny hery politika rehetra miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena izao. « Hitadiavana vahaolana mifanandrify amin’ny hetahetan’ny vahoaka ka ho tonga amin’ny fanovana rafitra fitantanana vaovao », hoy izy.
Namoaka fanambarana koa ny eo anivon’ny UNDD. Nambaran’izy ireo fa zo fototra arovan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna iraisam-pirenena ny fahazoana maneho hevitra malalaka. « Fototra iray ijoroan’ny demokrasia, antoky ny fampandrosoana ny firenena, ny fahazoana maneho hevitra malalaka », hoy izy ireo.
Hentitra ny vovonana Firaisankina fa tsy hiditra anaty governemanta hatsangan’ny filoha, Rajoelina Andry, ato ho ato. Adikan’izy ireo ho famadihana ny tanindrazana sy izao tolona izao koa nefa raha misy mpikambana ao anivon’ny vovonana miditra ao anatin’izany. Notakin’izy ireo koa ny fampitsaharana ny fisamborana sy ny herisetra.
Nilaza ny tsy hanaiky ny antso nataon’ny mpitondra hifampidinika ireo mpianatra any Antsiranana. Voalaza fa tokony handefa solontena miisa 1O avy ho aty Antananarivo ireo Oniversite ary iantohana saran-dalana. « Tsy azo ekena ny fifampiresahana fa efa naloan’ny vahoaka izao fitondrana izao. Famadihan-tanindrazana izany… », hoy izy ireo.




