« Fandaharana Soatoavina ». Handeha rahampitso sabotsy indray izy ity, amin’ny 12 ora tolakandro, ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Hiompana amin’ny lohahevitra « jijy avy any amin’ny faritra Betsiboka » indray ny fandaharana. Tsiahivina fa mampahafantatra ireo kolontsaina, riba, fomba amam-panao, isam-paritra eto Madagasikara ity fandaharana ity.
Rahampitso 4 oktobra no hamarana ny andiam-pampisehoana hataony any Frantsa, ny Tarika ‘Zay. Daty vao haingana izy ity, taorian’ny fanapahan-kevitra fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny seho saika hataon’ny tarika tany Canada, tokony ho ny 26 septambra teo sy anio. Nahavita seho maromaro tao France sy tany Allemagne kosa ny tarika nandrira izay fandalovany izay.
« Izay anjarako ». Io ny lohatenin’ny rindran-kira hotontosain’ny antoko mpihira Feon’i Salema, ao amin’ny FJKM Ambohimiarina Jerosalema, ny alahady 5 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho izay hanehoana kokoa ny fifehezna ny feo sy ny hira, ankoatra ny maha fanandratana ny fiderana an-kira azy .




