Mitsipaka ny fiampangana azy ny tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, manoloana ny vaovao navoakan’ny RFI…
Taorian’ny vaovao izay navoakan’ny onjam-peo, Radio france internationale (RFI), ny 1 oktobra lasa teo, izay nitonona ankolaka ny anaran’ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina. Nisy ny fanitsiana sy fanazavana nataon’ity vondrona ity, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, araka ny andininy faha-70 amin’ny lalàna mifehy ny serasera.
Araka ny fanazavana hita tao anatin’ilay fanambarana, omaly, nisy mpanentana ny fandaharana tao amin’ny RFI nilaza mazava fa: « Izy (Maminiaina Ravatomanga) dia manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Antananarivo, ka io no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maro». Mbola miampy ny hoe: “Naneho herisetra nandritra ny fihetsiketsehana ny milisiny”.
Niantefa tanteraka tamin’ny Madagascar Security Academy (MSA), orinasa ao anatin’ny Vondrona Sodiat, ity fanambarana nataon’ity onjam-peo vahiny ity. Nomarihin’ny vondrona Sodiat fa ny MSA, ivontoeram-piofanana amin’ny resaka fiarovana, dia nahazo alalana avy amin’ireo manampahefana tamin’ny taona 2024. Tsy nandray anjara tamin’ireo asa fanamafisana filaminana nandritra ireo hetsi-panoherana mihitsy izy ireo.
“Manasa ireo mpanao gazety ao amin’ny RFI izahay mba ho tonga eto an-toerana, amin’ny fotoana mety amin’izy ireo, hijery maso sy hanamarina ny tena asa sy fotodrafitrasa ao amin’ny MSA, ka ho hitan’izy ireo mazava fa tsy misy velively ny famoronana milisy eto”, andian-teny nalaina tao anatin’ilay fanambarana.
F.R




