FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra ny avy amin’ny antoko ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambarany fa hetsi-
bahoaka izao ka tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha. Nitsangana ny vahoaka malagasy
rehefa tena reraka sy leo ary tapa-kevitra. « Asesiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho amin’ny fiovana marina izany », hoy izy.
Naneho hevitra ny depiote teo aloha, Voni­na­hitsy Jean Eugene. Nambarany fa fahendrena ny fametraham-pialan’ny filoha Rajoelina Andry, mba tsy hampitombo ny fahavoazan’ny firenena. Nanteriny koa fa manohana ny tolon’ny Gen Z izy. Nentaniny ireo tanora tsy hiditra anaty governemanta. « Famadihana ny tolona izany », hoy izy.
Tsy handray olona hampidirina am-ponja ny Sendikàn’ny mpandraharahan’ny fonja ato anatin’ny 72 ora, manerana ny Nosy. Hotohizan’ireo izany mandra-pitsangan’ny governemanta ka anisan’ny takin’izy ireo ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana manokana hiadidy ny fandraharahana ny fonja.
Niantso ny mpikambana RMDM rehetra ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, mba handray anjara amin’ny tolona. Takin’izy ireo koa ny hamoa­hana tsy misy hatak’andro an’ireo nosamborina rehetra. « Vonona izahay ny hamaly ny antson’ny vahoaka. Miantso kosa anefa ny fihaonana maika hamahana olana », hoy izy ireo.

Partager sur: