Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa maromaro ireo fihaonana marolafy nandraisany olona samihafa tao anatin’ ny 72 ora teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Anisan’izany ny eo anivon’ny FFKM ka niresahana ny toe-draharaham-pirenena. « Nandray ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM aho. Nidinika lalina ny amin’ny toe-draharaha misy eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao izahay », hoy izy. Nambarany fa nanolotra teny fankaherezana ho azy ireo filoham-piangonana ary niara-nivavaka ho an’ny firenena izy ireo. Anisan’ny teny an-toerana ny filoha am-perinasan’ny FFKM, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Harimasy, ny filohan’ny FLM, ny Rev. Rakotozafy Denis ary ny avy amin’ny Anglikanina (EEM), ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.
Nihaona tamin’ireo mpamatsy vola…
Nialoha izany, nihaona tamin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ izany ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Ny avy amin’ny mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI. Teo koa ny solontena maharitra eo anivon’ny Pnud sy ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU).
Ankoatra izay, anisan’ny noraisin’ny filohan’ny Repoblika koa ary nifanakalo hevitra taminy ireo avy amin’ny solontenan’antoko politika sy ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Tsy azo ihodivirana fa tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny votoatin’izany dinika samihafa izany.
Synèse R.




