Anio vao tena raikitra ny hetsika hotarihin’ny eo anivon’ ireo vovonana mpanohana ny filoha Rajoelina Andry, iarahana amin’ny Irmar.
Haneho ny heriny amin’ny fanohanana ny fitondrana izy ireo amin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ny Prefektiora, amin’ ny alalan’ny Jly Ravelonarivo Angelo, mitarika ny OMC, fa nomena alalana izy ireo amin’ izany hetsika izany. « Toerana miala lavitra ny Renivohitra sady anaty toerana mifefy ny azy ireo », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny fepetra takina amin’ny hetsika famoriam-bahoaka tahaka itony izany ka antony nanomezana alalana azy ireo.
Notsiahiviny fa efa nomena tolo-kevitra amin’ny toerana eny Antsonjombe ireo mpitokona. Tsy nanaiky izany anefa izy ireo, araka ny nambarany hatrany.
Efa nikasa hanatanteraka io hetsika io ny eo anivon’ny Irmar, afakomaly, saingy anio vao hiroso amin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa malalaka avokoa ireo mpikambana sy mpanohana ny filoha Rajoelina Andry ka antony nanaovana izany andro sabotsy.
Famerenana amin’ny laoniny
Nambaran’izy ireo koa fa tafiditra amin’ny hetsika politika hanehoana ny heriny sy ny tanjaka amin’ny fanohanana ny mpitondra izao. Anisan’ny fitakiana hotanterahina amin’ ity anio ity ny hampitsaharana ny hetsika politika fitakiana ny hialan’ny filoha Rajoelina Andry eo amin’ny fitondrana. Eo koa ny fitakiana ny hamerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina, mba tsy ho voahelingelina amin’ny fivelomany…
Araka izany, andrasana ny ho fizotry ny hetsika hataon’ny eo anivon’ny mpanohana ny fitondrana amin’ity anio ity.
Synèse R.




