Fanendrena Praiminisitra : Maka ny hevitry ny rehetra ny Filoha Rajoelina Andry

Hivoaka tsy ho ela ny anaran’izay ho Praiminisitra, handimby an’i Ntsay Christian. Efa lasa any amin’ny filohan’ny Repoblika ny anarana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa. Misy miaramila, politisianina, mpandraharaha ara-toekarena.

“Zava-dehibe ny na­neken’ny vondrona Irmar ny fisokafana. Raha ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny vondrona parlemantera maro anisa ao amin’ny Antenimieram­pirenena no manolotra izay ho Praiminisitra”. Io ny fanaza­van’ny filohan’ny vondrona parlemantera tsy miankina, ny depiote Rakotoson Hubert, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanolorana anarana praiminisitra ny filohan’ny Repoblika. Amin’izao, nosokafana amin’ ny hery velona rehetra ny fanolorana anarana ho Prai­minisitra. Samy nanolotra kandidà avokoa ny depiote tsy miankina, ny Irmar. Nanolotra koa ny fiarahamonina sivily, ny vondron’olon-tsotra ety ivelany. Izay no hifampidinihana : iza no marimaritra iraisana? Hatramin’ny kandidà valo na sivy ny anarana lasa any amin’izao.

Iza amin’izy ireo no mety tsy hanao valifaty politika mba hahazoana mandamina ny firenena. Tsy ho ela dia hivo­aka izay ho Praminisitra. Ho hita eo indray ny fomba hamahana ny olana ho an’izay ho mpikamban’ny governemanta. Ho an’ireo teo aloha : esorina izay tsy mamely; izay hita fa miasa, rariny raha mbola hanohy ny asany. Tsy miaraka amin’ny fitondrana ny tsy miankina, tsy mpanohitra koa. Izay rehetra mahasoa ny fi­renena no ataon-dry zareo : mitehaka amin’izay raha tsara, manohitra izay ratsy. Firenena iaraha-manana, hita hoe tandindomin-doza : tsy maintsy miditra ry zareo, mi­jery ny mahasoa ny firenena. Tsy mahasoa ny mandalo krizy sy fitondrana Teteza­mita. “Aleo ezahina ny hampilamina azy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: