Fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety : Hosokafana ny loharanom-baovao amin’ireo minisitera

Anisan’ireo noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Ho­lafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo birao Anala­manga ary ireo filohan’ny fikambanana mpanao gazety maromaro, toy ny CJD, Appel, FMG­K­riMa, Chanut Mada, AJJM.
Voaresaka ny maharary ny asa fanaovan-gazety ka anisan’ ny fanatsarana nampanante­nain’ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny loharanom-baovao eo anivon’ny minisitera re­hetra. Hohatsaraina ny sata maha mpanao gazety ka hosokafana ny fifampidinihana marolafy ny amin’ny hananganana ny tsanganasa na ny « Corps du métier de journaliste ». Ha­no­mezana lanja sy hamerenana amin’ny hasiny ny asa fanaovan-gazety izany.
Hozaraina fanamiana mi­tovy, famantarana manokana ny maha mpanao gazety azy « Gilet de presse » misy numéro matricule OJM sy tsy azo ifandimbiasana ny mpanao gazety. Tafiditra amin’ny fiarovana azy sy hanamorana ny fahazoan’ny mpanao gazety ny vaovao eny anivon’ny loharanom-baovao na hetsika izany. Tsy voatery itakiana taratasy fanasana azy koa anefa ny mpanao gazety.
Etsy andaniny, hohamafi­sina ny fampiofanana ny mpanao gazety manerana ny faritra. Havoaka ny didim-panjakana hisitrahan’ny mpanao gazety ny tsy fandoavana hetra momba ny fanafarana fitaovana manokana iasana, ilaina amin’ny asa fanaovan-gazety. Hohatsaraina ny lalàna momba ny gazety ana habaka « Presse en ligne », hampiavaka ireo orinasan-ga-zety sy ireo mpanao gazety ana habaka, amin’ireo mpikirakira tambazotra sosialy sy ireo pejy tantanan’olon-tsotra.

Synèse R.

Partager sur: