Tsy nampoizin’ny depiote voafidy teto Toamasina, Rolland Ratsiraka, ny fihetsiky ny mpianatra avy ao Barikadimy sy ny vondron’ny mpivarotra zava-pisotro mampiasa ny Miami ny sabotsy teo, tetsy anoloan’ny kianja manaram-penitra Barikadimy. Ho an’ny mpivarotra aloha, nihevitra ingahy solombavambahoaka fa hanindrahidra sy hiteny ny fitakiana tahaka ny iheverany azy ireo solontenan’ny mpivarotra. « zahay mpivarotra tsy miditra amin’ny politika sy maro hafa fa mangataka izay andriamatoa, filoha Andry Rajoelina mba haverina amin’ny fitantanan’ny kaominina eto an-toerana ny fitantanana ny Miami ary asiana fijerena manokana ny vidin’ny herinaratra fa tsy zakanay ny faktiora 200 000 Ariary isam-bolana. Toy izany koa ny hofan’ny Box lafo aminay loatra », raha tsorina dia tsy nisy fitakiana fialana ka tsy nahafaly an’ Ingahy depiote izany.
Tetsy akilany, nahatsiaro ho voafitaky ny mpitarika azy ireo ny mpianatra nivoaka avy tao amin’ny Campus. Nifanarahana fa hanao diabe mamakivaky tanàna. Tsy izay anefa no niseho fa noentin’ ireo mpitarika tetsy anoloan’ny kianja manara-penitra, toerana izay efa niandrasan’i Rolland Ratsiraka ireo olona maro izy ireo. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpianatra, « tsy mety aminay ny fitakiantsika hijampian’ ireo mpanao politika zareo tsy mahavory olona dia isika no hisehoany hanamaro olona aminy eo, fitakiana jiro, rano, vatsim-pianarana, fotondrafitrasa ny antsika fa tsy seza politika », hoy ny mpianatra sasany nitafa tamin’ny mpanao gazety. Ny hafa kosa nanamafy fa sahirana ny ray aman-dreniny manohana azy ireo ka anisan’ny takiany ny fanatsarana ny vidim-bokatra lavanila sy jirofo. Vokany, tsy niravona izany ka nialan’ireo mpianatra ny famoriam-bahoaka nataon’ ity solombavambahoaka ity.
Sajo




