Nanatanteraka fivoriana niarahana ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny Sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany ny minisitera (MFFT). Tanjon’izany fihaonana izany ny ho fiomanana sahady amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny tanàn-dehibe manoloana ny fivoaran’izy ireo amin’ny hoavy. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa tsikaritra ho tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny ny sokajy napetraka rehetra teo aloha. « Araka izany, ilaina ny fanavaozana ny masontsivana hampiharana ho amin’ny fanasokajiana izany », hoy izy ireo. Natao izany mba hahitana indrindra ny fanomezan-danja ny fotodrafitrasa, ny herijika ara-toekarena eny ifotony ary koa ireo loharanon-karena ananan’ny kaominina.
Tsiahivina fa efa nisy ny fandinihana niarahana tamin’ ny mpamatsy vola, eo anivon’ ny Banky Iraisam-pirenena momba izany. Mitohy amin’ny fanatanterahana izany izao amin’ny lafiny ara-panjakana, mba hifanaraka amin’ny filan’ ny vahoaka sy ny eny ifotony. Anisan’izany ny eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny amin’ny faritra sy ny minisitera. « Mba ho hita mazava tsara ny asany any anatin’ny politika-panjakana rehetra », hoy ihany izy ireo.
Synèse R.




