FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana koa ireo vondron’ny olobe, tarihin’ny Jly Ramakavelo Desiré. « Miantso ny mpitandro filaminanana hampitsahatra ny herisetra handratrana vahoaka maneho hevitra izahay. Aoka ho mailo ka tsy hivaona amin’ny hevi-dehibe hitolomana. Vonona ho elanelam-panahy hamaha ny olana sy hifampiresaka izahay », hoy izy ireo.
Anisan’ireo nidina an-dalambe ireo olom-boafidy: mpanolotsain’ny tanàna sy ireo depiote, omaly. Anisan’ny nambaran’izy ireo tamin’izany fa vonona hifampiresaka izy ireo.  Na izany aza anefa, mametraka fepetra ny amin’ny hanokafana ny Kianjan’ny 13 mey ho an’ny mpitolona sy hampitsaharana ny herisetra amin’ny mpanao fihetsiketsehana.
Nijoro ny fiarahamonina ao Toliary ka nampitandrina ny vahoaka ny fanonganam-panjakana. Loza eo amin’ny toekarena sy sosialy, tsy ho zaka ny vokatr’izany, araka ny nambaran’izy ireo. « Ekena ny fitakiana saingy tsy ekena kosa amin’ny fanonganam-panjakana. Mila mifampihaino isika ary azo vahana amin’ny dinika ny olana », hoy izy ireo.
Hihetsika koa ireo Malagasy any Italia, ny sabotsy izao. Nahazoana alalana amin’ny fanjakana any an-toerana izany. Anisan’ny manohana ny hetsiky ny tanora eto an-tanindrazana koa ireo any Palermo Sicile. Tsiahivina fa efa nihetsika ny tany Etazonia, Alemana, Frantsa, Canada sy La Réunion. Haneho fitakiana koa izany izao ireo any Italia.

Partager sur: