“Ankehitriny, manao antso avo ny filoham-piangonana efatra mirahalahy sy ireo rantsamangaika eo anivon’ny fiangonana rehetra izahay: handray andraikitra momba izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Vondrona Panorama, Antanimena, Médiation active et inclusive (Pam), Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy avela ho potika sy ho very ny firenena malagasy. Efa nisy dingana nataon’ny filohan’ny Repoblika nandravana ny governemanta. Anjaran’ny filoham-piangonana ny mandamina an’izay: ahoana ny hahazoana mifampiresaka tsara, inona no tadiavin’ireo tanora… ? Tsy misy afa-tsy ny fifanatonana ihany no hahazoana mamaha ny olana. Manainga ny rehetra manan-kevitra hahazoana mampandroso ny firenena mba hifampidinika. Heverin’ny Pam fa azo atao tsara ny fanovana eto amin’ny firenena ho any amin’ny tsaratsara kokoa.
Mila fitoniana ny fifampiresahana
“Vonona hamaly izany antso izany ny FFKM ka hijoro ho raiamandreny mpanelanelana”, hoy kosa ny valin-kafatry ny eo anivon’ny FFKM ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo ankolafin-kery avy eto an-toerana sy avy any ivelany no mangataka azy ireo hitarika ny fifampiresahana manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Noho ny antso miantefa amin’ny fiangonana sy efa nampitaina tamin’ny fanambarana ny 26 septambra, ny hisian’ny fifanatonana sy fifampidinihan’ny rehetra. Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra ny FFKM mba hahatongavana amin’ny fifampidinihana. Nefa mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra dia tena ilaina ny fitoniana.
R. Nd.




