Voatendry halina ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Napetraky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny jeneraly Zafisambo Fortunat Ruphin ny fitokisany. Miandrandra ny famahana krizy ny olom-pirenena.
Notanterahina, halina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hisolo ny toeran’i Ntsay Christian. Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry ny didim-panjakana laharana faha-2025-1035 manendry ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat ho amin’izany toerana izany, araka ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Izy no natolotry ny solombavambahoaka maro anisa. Araka ny nambaran’ny filoha, hotombanana ao anatin’ny enim-bolana ny praiminisitra vaovao. Maro ireo adidy miandry azy amin’izay andraikitra napetraka aminy izao. Anisan’izany ny fanolorany ireo minisitra ho mpikamban’ny governemanta izay ilana olona madio sy mahitsy ary vonona ny hiasa haingana amin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Eo koa ny fijerena ny olan’ny jiro sy rano, ny mpianatry ny oniversite manerana ny Nosy. Raha tsiahivina, ny 29 septambra teo no natsahatra tamin’ny asany ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian ary omaly alina no notendrena ny mpisolo toerana azy. Ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat no nametrahan’ny filoham-pirenena ny fitokisany hitondra fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasan’ny governemanta.
Nandalo fiofanana maro
Raha ny momba ny praiminisitra vaovao, nandalo fiofanana maro izy. Anisan’izany ny fianarana nataony tany Montpelier any Frantsa izay nahazoany diplaona Lincence sy Master. Teo koa ny fianarana norantoviny tamin’ny sekoly ambony eto an-toerana ary nahazoany mari-pahaizana ambony ihany koa izany.
Fitia Randria




