Ravatomanga Maminiana : Tsy miombon-kevitra amin’ny fanonganam-panjakana

Nivoaka amin’ny fahanginany manoloana ny resabe momba azy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny vondrona orinasa Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, omaly.

Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany fa miray fo amin’ireo mpandraharaha, namany, voaroba ny tenany. Efa nisy ny valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireo fitakiana samihafa. « Tsy miombon-kevitra velively amin’ny fanonganam-panjakana aho ary tsy miaraka amin’izany. Mora ny manongana fa ny manangana sy ny mihazona fahefana sarotra », hoy izy. Anisan’ny va­haolana narosony ny fifampiresahana ary tokony hizotra amin’izany ireo mpisehatra rehetra. Nanteriny koa anefa fa avela hamita ny fe-potoam-piasany ny filoha. Nentaniny ireo mpanao politika hirotsaka hofidina avy eo hotsarain’ny vahoaka. Notsiahiviny fa fitakiana sosialy io nivadika fialan’ny filoha io. « Efa anaty fahasahiranana isika nefa mbola hiampy an’izany indray? », hoy izy.
Momba ny orinasany tsy voakitika tamin’ireny fandrobana indray, nambarany fa efa nisy nanandrana matetika izany. Efa nisy fanafihana natao teny Ilafy ary tonga ny olona noho ny antsoantso tamin’ny FB. « Tsy tanteraka izany noho ny fitahian’An­driamanitra. Eo koa ireo mpiara-miasa nitondra am-bavaka sy ny fepetra noraisina », hoy izy. Nohitsiny koa fa tsy mitombina ny filazana amin’ny fanofana milisy eny Andakana. Tsy manao izany io toeram-piofanana io fa resaka fiarovana orinasa ihany ka ahitana ireo enti-manana amin’izany.

Tsy misy olana

Tokony hanana porofo ireo milaza fa manampy ny zandary ireo tanora miofana eny an-toerana, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, notsindriny fa tsy miova ny fifandraisany amin’ny filoha Rajoelina Andry. « Tsy mpanao politika aho ary tsy mahaliana ahy rahateo izany. Tsy misy ny olana eo aminay… Aely fotsiny ny tsaho noho ny resaka tombontsoa hiadiako amin’ny filoham-pirenena », hoy izy.
Noresahiny koa ny seha-pihariana amin’ny vokatra fanondrana. Nambarany fa tokony hifanome tanana ary tsy tokony hifanenjika. « Azo atao tsara ny manarina ny sehatry ny lavanila, letisia… Aza manaiky horebireben’ny mpanao politika isika. Aoka hataonay ny fanarenana izany fa aza itsabahana ny aty amin’ny sehatra tsy miankina », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: